close

Se connecter

Se connecter avec OpenID

Ary toy izany koa ianareo : raha fatra-paniry

IntégréTéléchargement
Conflans, 23 Desambra 2016
Antony : Hetsika FAFATS 2015, Fiarahabana tratry ny taombaovao 2016
Ho an'ny
- Mpitandrina mpandrindra Tafo eto amin'ny Faritany Afovoany Atsinanana
- Filohan’ny Tafo 9 eto amin'ny Faritany Afovoany Atsinanana
- Filohan’ny Fiaraha-mivavaka Vierzon – Bourges
- Sampana Iraisana eto amin'ny Faritany Afovoany Atsinanana: ny Vehivavy Kristianina, ny
AMF, ny Tanora Kristianina ary ny Sekoly Alahady
- Vahoakan’Andriamanitra eto amin'ny Faritany Afovoany Atsinanana
Ampitomboina mandrakariva amintsika anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin'i
Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana,
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”
Salamo 133.1
“Ary toy izany koa ianareo : raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay
hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.” 1 Korintiana 14.12
Ho fampiroboroboana ny Faritany misy antsika sy ho fifampiarahabana tratry ny taona
vaovao 2016, dia fifaliana ho an’ny Birao-paritany ny manasa antsika ny
Asabotsy 23 janoary 2016 tontolo andro
Manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina
Ao amin’ny Lycée Saint-Charles
2 Rue Geneviève Anthonioz de Gaulle
91200 Athis-Mons
Misaotra antsika sahady mamandrika izany daty izany . Indro ampitaina amintsika ny
fandaharam-potoana amin’io andro io. Manantena ny fanentanana mavitrika ataontsika
tompon’andraikitra isan’ambaratonga amin’izany.
Fandaharam-potoana :
10h30- 12h30 : (2h) Fiofanan’ny Diakona , loholona, Biraon’ny Sampana ary ny Vaomiera (mpitandrina)
-
Culte
-
Fampianarana
12h30 -14h : (1h30) Sakafo antoandro
14h – 16h : (2h)Fanompoam-pivavahana fiarahabana tratry ny taona
16h– 16h30 : Pause /Varotra tsakitsaky
16h30- 18h : (1h30) Fampianarana ho an’ny rehetra - SA – STK
18h-19h : (1h) Répétition /Varotra tsakitsaky
19h - 20h30 : (1h30) Sakafo
20h30 – 22h30 : (2h)Concert handraisan’ny Tafo, Fiaraha-mivavaka ary Sampana Iraisana anjara 10mn
isan-tafo sy Sampana afa-tsy ny AMF
22h30 : Famaranana
Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho amintsika tsirairay avy ary dia mirary Noely
sambatra ho antsika rehetra.
Amin’ny anaran’ny Birao Faritany Afovoany Atsinanana
Ny Mpitandrina mpandrindra ny Faritany A/toa Jacky RANDRIAMBOLOLONA
Ny Filoha R/toa Oli-Tiana ANDRIANONY
Sitrakay raha vakiana isan’Alahady izao fanasana izao mandra-pahatongan’ny fotoana.
Auteur
Документ
Catégorie
Без категории
Affichages
4
Taille du fichier
322 Кб
Étiquettes
1/--Pages
signaler